You are here: home > Tononkira > RovaTsou

Tena tia (RovaTsou)

Sarotra ny milaza fa tena tia
Satria izay tia mantsy dia resy
Tsy afaka ny hifidy intsony

Tsy tao an-tsaiko mihitsy ny hitia
Fa tojo anao aveo aho resy
Dia izay sisa no tsapako


Tia aho hoy ianao
Dia inona ny azoko atao?Tsy sahy aho sao resinao
Tia aho hoy ianao
Matahotra aho ny hitia anao
Tsy mahita aho hafa tsy ianao


Lazao ahy fa ho eo foana ianao
Fa izaho tena tia, tia anao
Fa izaho tena hitia anao
Teneno ahy fa tsy hisy hasolo anao
Fa izaho tena tia, tia anao
Fa izaho tena hitia anao

Sarotra ny miteny izay ao am-po
Hanome zay fitiavanao rehetra
Izay mantsy no tsapanao

Marary aho ra tsy eTsiky dia ampyo ianao
Izany angamba no tena tia
Tsy eo ianao zaho tsy manadino


Tia aho hoy ianao
Dia inona ny azoko atao?Tsy sahy aho sao resinao
Tia aho hoy ianao
Matahotra aho ny hitia anao
Tsy mahita aho hafa tsy ianao


Lazao ahy fa ho eo foana ianao
Fa izaho tena tia, tia anao
Fa izaho tena hitia anao
Teneno ahy fa tsy hisy hasolo anao
Fa izaho tena tia, tia anao
Fa izaho tena hitia anao

Tia aho ka mila anao
Ho aiza aho raha tsy hisy anao
Fa mila loatra anao


Lazao ahy fa ho eo foana ianao
Fa izaho tena tia, tia anao
Fa izaho tena hitia anao
Teneno ahy fa tsy hisy hasolo anao
Fa izaho tena tia, tia anao
Fa izaho tena hitia anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : RovaTsou
Mpamaky : 342
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zolie2mwzel
Tamin'ny : 05/02/2018 12:11:34
ID : 10351

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo