Ho eo anilanao hatrany (RovaTsou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ilay tsikinao, ny fiangolanao
No nanaitra ahy, raha vao nahita anao
Tsapako anatiko ao, toa aina vao
Iriko raha, izaho sy ianao

No hiara-hankafy, ny tontolon'ny fitia
Aza manahy, fa izaho
Ho eo anilanao hatrany

Tsy mila olon-kafa intsony
Ny foko, ny saiko tsy tony
Rehefa tsy eo ianao
Dia manahy mafy aho
Izaho sy ianao tsy hifandao
Hiady hatrany ho anao aho
Tiako ny anilanao
Izaho sy ianao
Fitia vaovao
Ho eo anilanao hatrany

Raha vao mifoha, ianao no ao an-doha
Ny tananao no ilaiko hampitony ahy
Ireo teny mamy, zay fanaonao ahy
Tsy ho aiko lazaina, fa toa mahatsara ahy

Hiara-hankafy, ny tontolon'ny fitia
Aza manahy, fa izaho
Ho eo anilanao hatrany

Tsy mila olon-kafa intsony
Ny foko, ny saiko tsy tony
Rehefa tsy eo ianao
Dia manahy mafy aho
Izaho sy ianao tsy hifandao
Hiady hatrany ho anao aho
Tiako ny anilanao
Izaho sy ianao
Fitia vaovao
Ho eo anilanao hatrany

Rehefa eo ianao toa azo ny aina
Raha tsy eo ianao toa miferin'aina
Tsapako feno anao ny tontolo
Izaho, ho eo anilanao hatrany

Tsy mila olon-kafa intsony
Ny foko, ny saiko tsy tony
Rehefa tsy eo ianao
Dia manahy mafy aho
Izaho sy ianao tsy hifandao
Hiady hatrany ho anao aho
Tiako ny anilanao
Izaho sy ianao
Fitia vaovao
Ho eo anilanao hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RovaTsou
Vangy : 2015
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zolie2mwzel
Daty : 05/02/2018 12:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718