Tsy mbo za (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azafady aminareo mpitondra ambarao za(2)
iza no manao lohanam-pondra
tsy mampandeha ny raharaha
iza no manao ktoatoa
Nareo tato hafara sa ianareo taloha
Izay very seza dia mivovo
Ny gasy rehetra no mandray ny kiho

Famerenana:
Tsy mbo za, tsy mbo za, marina mafy io raha mbo za
Tsy mbo za, tsy mbo za, tsy za io fa ry zalahy

Azafady monsieur le deputé ambaranao anay(2)
Sao de ianareo ary no tsy ampy klé
Dia ilay gasy no mihinana ny fatiny
Tsy tratra an-tanana, tsy hita mivory
Fa manao resaka manorisory
Mingitrika lava sy mivangabao
Miala tany rehefa tsy hanao

Famerenana:
Tsy mbo za, tsy mbo za, marina mafy io raha mbo za
Tsy mbo za, tsy mbo za, tsy za io fa ry zalahy

Azafady ry oppositon amabarao anay(2)
Tsy mila tsikera fa solution
F’izahay efa mihinana ny fatiny
Nareo aza moa efa teo konko
Nanao bala rora ka tsy nahavoa
Niakarana 100%ilay loka
Niongana ihany fa mba tody voka

Famerenana:
Tsy mbo za, tsy mbo za, marina mafy io raha mbo za
Tsy mbo za, tsy mbo za, tsy za io fa ry zalahy

Azafady ry buldozera aiza amin’izay ilay train way
Ilay tsena be misy quatres étages
Sy miady aminy emboutaillage
Sao de tsy jus io na fromage
Sao de tsy ronono io fa ranon’ny pompy
Fa tsy tiako ny manao vazivazy
Sao de tsy yaourt ity fa abobo

Famerenana:
Tsy mbo za, tsy mbo za, marina mafy io raha mbo za
Tsy mbo za, tsy mbo za, tsy za io fa ry zalahy


Azafady aminareo ry vahoaka fa ity misy zavatra tianay hapoaka
Tsy vokatry ny tsaramaso tsy akory na vokatry ny voanjobory
Fa ianareo ihany no mihinana ambolony
Mifidy aminapa izay olona hatolony
Efa omeny ronono amin’ny tavy mbola misotro ihany


Famerenana:
Tsy mbo za, tsy mbo za, marina mafy io raha mbo za
Tsy mbo za, tsy mbo za, tsy za io fa ry zalahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 3920
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 29/10/2001 05:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127