Toerako nindraminy (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tianao be izy izaho nefa tsy foinao koa
Izay ve no izy sa tahotry ny ho votso-droa
Androany aloha avy any ianao nanaram-po
Ampy kosa izay mifidy ianao anio iray aminay

Mangotika ny fo izany aloha tsy afenina
Nitia ihany aloha ka aleo hialana nenina
Ny foko na dia vy mba mety ho harafesina
Fa mafy izany hoe tia kanefa ampirafesina

Fa ny any hoy ianao tsy tena fitia fa kilalao
Tsy haharitra izany fa matokisa fotsiny ihany
Aza mandaingalainga eo ! tsy andrinao ny andro alarobia
’Lay izaho rehefa tsy eo no lasa indray ’nareo mangala-dia

’Lay rafiko iny aloha tsy tompony iny fa mpamerin-doha
Tsy ialonako akory vao hitako fa tsy hahavita izay vitako (aminao)
Inona koa moa no aminy fa toerako no indraminy
Mbola ho alaiko any aminy an-keriny raha sanatria tsy averiny

Fa toerako no indraminy
Inona koa moa no aminy
Fa sisako aza laniny
Fa toerako no indraminy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 6719
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/08/2002 19:08
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115