Oay ireto isika (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oay reto isika e, Oay reto isika a
fa mifanenjika sy mifandramatra ohatra ny BIBY
oay reto isika e, Oay reto isika e
viravirain'ny demony ratsy mpanao pôlitika
tsy ny hevitra intsony fa tena ny olona izao no miady
mifamono lolo na ray aman-dreny na koa ny mpivady
mpiralahy izao mitsitokotoko tsy mifandray tànana
manafangaro ny resak'antoko ny resam-pihavanana

oay ty nareo e, oay ty nareo e
manao soavaly ireo olo-mahantra sy leo
dia mampanantena ny mana sy Edena
vao tafakatra eo dia veloma hatreo ny teny nomena
nahoana leiretsy hifanaraka ihany ka d'efa nandrasana?
Mirava tanteraka kilao tonto misy maty any am-pasana
niaraka tao ianareo hatrizay toa tsy nisy napoaka
efa ny volo-tratra mihitsy no may dia mampiady vahoaka

oay ty zaho e, oay ty zaho e
tsy mba miara-mirevy @ ireo mpanao greve fa miàlaala pà e
oay ity zaho, oay ty zaho e
tsy hoe sanatria tsy te hahalàla fa efa teo no niàla a
izay vitako t@ 72 aza mbola anenenako
raha toa ka diso ny teniko ariana fa aza ny tenako
ny fônksiônera na mitanin'andro aza tsy misy ny olana
na mitokona aza izy misy mbà raisina faran'ny volana

ho sambatra isika e hiadana isika a
arahabaina fa tratry ny 3 e repoblika
vavaka tsotra no ndeha ho hiraina
hanatontosa ny zavatra rehetra nampanantenaina
ny savorovoron-kilataona ry manam-panahy
vita ny kaonty mazàva ny kaonty dia basy @ izay
zareo ao ambony ihany dia efa tsy mihevitra ny hifandray tànana
isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavanana

isika eto ambany no mitsàbo ny fery mamitram-pihavanana
isika eto ambany no mitady ny very mamitram-pihavànana....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 2753
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/04/2016 23:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113