Manana Finoana (Rossy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Rossy
Mpamaky : 1679
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 19/11/2001 18:11:18
ID : 329

Imprimer Facebook Facebook

Ianao iay trotraky ny ady
Tsy nahita fandresena
Ianao ilay sasatra nitady
Nefa tsy mba nomena

Ianao tanora lasa saina
Na ny lahy na koa ny vavy
Fa tsisy an’iza ho antenaina
Maizin-kitroka ny ho avy

  Ianao mahatsiaro farahidiny
  Fa nanao izay zava-tsy finidy
  Ianao ilay toa fo te hitraotra
  Nefa tsy afaka manoatra

       Manana finoana, tanjonao banjino
       Manana finoana, marina fihino
       Na inon-kidona, mijoroa hatrany
       F’izay manampinoana, handresy ny hiafarany

Ianao ilay tsy mino intsony
Mbola mihodina ny tany
Ianao tsy mino fa ny ambony
Mety hifototra ho ambany

Ianao milaza ho tsy mahita
Izay mety hahavonjy antsika
Fa resak’eh sy fikafika
Fahagagana politika
  
  Ianao ilay mila hamoy fo
  Fa reraky ny nanao soa
  Fa toa ny ratsy hatrany hatrany
  No misondrotra eto antany

       Manana finoana, tanjonao banjino
       Manana finoana, marina fihino
       Na inon-kidona, mijoroa hatrany
       F’izay manampinoana, handresy ny hiafarany



Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo