Mahatsiaro (Rossy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Rossy
Mpamaky : 3971
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 31/07/2002 23:29:41
ID : 851

Imprimer Facebook Facebook
MAHATSIARO

Mahatsiaro anao foana aho
Isaky ny maraina ny andro
Mahatsiaro anao foana aho
Isan’andro isan’andro

Malahelo an-dry foana aho
Raha vao mamoha varavaran-kely
Malahelo an-dry foana aho
Raha vao mandre feom-boronkely

Oh ! Oh!
Na dia lavitra aza
Ny elanelan-tany
Mahatsiaro anao foana aho aty
Ny foko sy ny saiko
Ferako tsy ho any
Tsy mety fa mbola minia
Manina fa lavitra anao
Manina fa tsy hita ny atao

Mahatsiaro anao foana aho
Raha vao mody ny masoandro
Mahatsiaro anao foana aho
Isan’andro isan’andro

Malahelo an-dry foana aho
Raha vao mandre feona mozika
Malahelo an-dry foana
Ny fiharantsika
Oh ! oh !

Texte et Musique : ROSSY

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo