Lehibe ny ankizy (Rossy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa nataoko daholo izay rehetra azo atao e
Hitazonana anao
Na tambitamby, teny mamy, teny ratsy mafaitra
Saingy tsisy nandaitra
Ankehitriny hipetraka hitoto koba aho koa hatavy
O Razanakovavy
Hadinonao rahateo ilay nangorona valizy fa
Efa lehibe ny ankizy

Fiverenana :
Lehibe ny ankizy (in-3) ry papa ô
Omeo azy izay ilainy rehefa vory re ny sainy
Lehibe ny ankizy (in-3) ry mama ô
Lehibe !

Nalefa indray ny gidragidra noserena ny bilao
Vao maika indry tsy nanao
Kisipasipa sy ny ditra ary ny revy rehetra
Tsisy fatra na fetra
Raha vao misy hirika niridana manao alim-pody
Toy ny voam-panafody
Ny serimaonin-dRabainina hadino amin’ny katesizy
F’efa lehibe ny ankizy

Fiverenana

F’izaho rahateo tsy tena papanao fa nitaiza fony kely
Ry "jolie" demôzely
Ka sarotra amiko indraindray ny tena hiseho saro-piaro
Sao ho fitia mifangaro
Ny fosafosan’ny mpiara-monina rahateo moa namosavy
Antsika mianakavy
Ka raha hahasambatra andry ny hiala ato an-trano
Dia ’ndao fa tsara tso-drano e

Fiverenana
...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rossy
Vangy : 4803
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bitika
Daty : 11/12/2002 16:09
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114