Hafatra (Rossy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Rossy
Mpamaky : 3455
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/10/2001 23:10:20
ID : 162

Imprimer Facebook Facebook
Tandremo sao tsy tsaroanao ilay hafatra,
Aza misy adino ataovy tonga lafatra;
Ny rediredin’ny foko kely adalako,
Ampombaiko anao omeo ilay malalako.
Tsy manadino hono hoe,
Raha tsy mahasoratra ho anao;
Fa ny alahelo anao no be,
Ka mahalasa saina lava izao;
Fa mbola be ny zava-tiako hambara,
Nefa ampy izay, mandehana ianao sao tara.

Miala-tsiny raha toa miambakavaka,
Fa efa feno ny alahelo ka tsy zaka;
Miala-tsiny raha mando koa ny tavako,
Tsy tomany aho fa ditsoka, tongava soa

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo