Any Malala (Rossy)
Mpihira : RossyMpamaky : 3575
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 25/10/2001 16:10:41
ID : 101 Manoratra ho anao aho, fa ny aty dia salama
Nefa tsy dia misy vaovao
Fa malahelo mafy anao aho,mila ho adala
Nefa mamafy vao mba mioty ny voa
Fa ny aty, fa ny aty ady isan’andro
Tsemboka miambina vao mba mahita ny soa
Fa ny aty, fa ny aty mamono masoandro
Nefa tsy kivy fa mankahery fo
Mifofotra miady hiadanantsika roa
Any malala,
Manoratra ho anao aho,voaraiko androany
Ny taratasinao, izay milaza fa hoe:
Angamba tsy ahandry ahy intsony ianao, fa hiova malala
Mangata-tso-drano miangavy ahy hanadino
Hamela anao mba handeha
Fa ny aty, fa ny aty tsy mino ny saina
F’ianao nolalaina,nihariana,nihafiana
Izao rehetra vita izao
No any, no any tsy ahandry maraina
Nahita ny hafa ka dia izao milaza fa handao
Tsia tsy mino izany aho,fa-mbola tia anao
Androany, androany aho hanainga haka anao
Fa mino foana aho hoe mbola tia ahy ianao
Androany, androany aho hanainga haka anao




