Modia (Rootsikalo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarotra amiko ny andainga,
Marina fa indraindray aho be saina.
Fa rehefa ny fitia izay no mahery vaika,
Na ho fantatra tsy ho vita izao aza, tinao tontosaina.
Hamoronana ny tsy misy mintsy izy io eh,
Iza no efa tsy niaiky izany eh.
Fa raha mbola zava-manan'aina ambony tany mitady an'io,
Izaho aloha izao mba voa androany.
Resy lahatra tsisy isalasalana,
Fa raha tsy teo i eva, tsy igoka hasambarana izany adama.
Mila ny taolan-tehezan-dralehilahy;
Izay no voasoratra, efa izay oa no lalàna.
Ka mba aiza enao izao ry tina a,
Izaho irery no ato an-trano mangingina.
Tsy ampiampy an-dry, mangatsika,
Malain-kafana ny fandrina. ka

Refrain:
Aza manalavitra intsony aky,
Fa manina ny aty,
Naonaona fitia,
Aza ela intsony fa miavy.
Aza manalavitra intsony aky,
Fa manina ny aty,
Naonaona fitia,
Aza ela intsony fa modia.


Neny a! hatramin'zao aho mbola tara,
Fa tsy manam-pahasahiana firy iteny e!
Mbola tsy niova! ohatran'ny taloha, eny sahala,
Vao mainka aza mahery
Fa indraindray aho menatra, de mody adala,
Fa tsy tiko le lazaina fa malefaka, malemy e.
Misy fotoana aho, miala ilana @bandy akama.
De izay no mahatonga aho mody masitsika ra miteny.
Faaaa, izaho aki i, potika mitapy @ndri iii; tena ti iiii.
Kaaaa, sanatri iii, na ovina izaho tsy ivadika @ndri iii, matokia.
Yeny, ouhohi, ouhohi
Ouhohi,
Ouhohi ouhohi, ouhoh ohi
Ouhohi, ouhohi ouhohi
Ouhohi ouhohi ouhohi ouhohi eny
Ka mba aiza enao izao ry tina a,
Izaho irery no ato an-trano mangingina.
Tsy ampiampy an-dry, mangatsika,
Malain-kafana ny fandrina. ka

Refrain: -II-

Omeo ouh, omeo ouuh
Omeo ou,
Fitia! be dia be zah
Omeo ouh, omeo ouu
Omeo ou
Fitia! ngeza be zah
Omeo zah, omeo zah
Omeo zah
Fitia kiala aa
Omeo zah

Refrain: -II-

Rootsikalo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rootsikalo
Vangy : 1897
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lacky
Daty : 26/11/2018 09:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.107