Mba hahatsiarovanao ahy (Romule)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izao feoko mihira henoinao izao,
Tsy ho renao intsony rehefa any aoriana,
Ka mba hahatsiarovanao ahy, izao atao
Ireo hira fanaoko kaloina mangina.

Rehefa tsy ho hitanao intsony izany tavako,
Fa efa navalon'ny andro sy taona,
Ka mba hahatsiarovanao ahy, re rahavako,
Ireo dinantsika tsiahivina foana.

Fa hany mba farany hanafatrafarako,
Ka hiangaviako ho tanterakao,
Dia ny hahatsiarovanao izany tantarako,
Indrindra ny antsika, dia izaho sy ianao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Romule
Vangy : 5188
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/12/2014 13:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1198