You are here: home > Tononkira > ROM'JT

Mampamangy (ROM'JT)

Aty antany lavitra aho, no mamisavisa ireny
Ireo fiainana fony mbola kely
Lay teo anilany dada sy i Neny
Ankehitriny anefa mahatsiaro tena very
Ny fitadiavana no nahatonga izany
Lasa hantsana tonga elanelantany
Izaho taraiky aty nareo lavitra any
Ny hany sisa atao de mampamangy any

    Mampamangy ee
    Any amin'ny havako any
    Mampamangy ee
    Any amin'ny namako any
    Mbola hihaona anieee
    Ndray andro any
    Tsy maintsy mihaona aniee
    Raha mbola tany koa ny tany

Aty an-tany lavitra aho mahatsiaro tena irery
Mahatsiaro isan'andro an'i dada sy ry nenyTsiky dia ampy
Mahatsiaro anao ry mama nefa tsy afaka manoatra
Tsaroako tsika miady rehefa samy misendaotra
Any koa ireo havana tsy adino ny akama
Malahelo anareo zah fa mbola mikarama

Tsy afaka manoatra satry lavitra de lavitra
Fiainana izany ka tsy maintsy miaritra
Any koa ilay olon-tiako izay nomeko toky
Nandeha lavitra ny misy ah efa anao ny foko
Matokisa ianao malala fa ny aty tsy manadino
Raha sendra mba mahatsiaro ilay sariko fihino
Noho ny fitadiavana nahazaka naniraka
Mahatsiaro tena irery aho aty amorontsiraka
Any indray andro any tsika mbola hihaona
Aza manahy fa mbola ho avy ny fotoana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ROM'JT
Mpamaky : 464
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jt02
Tamin'ny : 25/02/2017 22:59:47
ID : 9203

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo