MITARAINA NY TANY (ROMEROLL)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MITARAINA NY TANY

Mitaraina ny tany (6)

Ianao raha mitodika mianavaratra
Malaina ny hiteny fa sakodiavatra
Andian-jatovo mandroba tanàna
kanefa ny tany dia tan-dalàna
Mahavariana no sady mampahonena
Lasibatra hatramin'ny andramena
ireo akama zay tena nianatra
No lasa mpandroba ary koa mpangalatra e!

Fa naninona e! Fa naninona a!

Inao raha mitodika mianantsimo
Efa loza no mihantra ka tadidio
Ny fiainana lasa mivaralila
Noho ny asan-dahalon-dREMENABILA
Ny tanàna amin'izany efa maina kina
Hain-tany mosary tsy raharahiana
Ny mpitondra mitady izay hitoerana
Ny vahoaka no mila fahandriam-pahalemana e

Mitaraina ny tany (6)

Raha manantena ny hitady lalana
Ka andeha hiketrika any antsinana
Otran'ny milamina nefa miotaka
fa maro izao no misedra olana
Ny feo efa re any am-badika any
dia bizina fiara sy solon-tany
Manjaka ny tolotra sy tinady
indrindra amin'ny fizahan-tany mamoafady

Fa naninona e! Fa naninona a!

Raha ny Andrefana hiaraha-mahalala
Fa doro-tanety sy tevy ala
Ny varo-maizina tsy hay fefena
Ny fitrandrahana volamena
Ny tanàna izao efa tsy milamina
Dahalo miasa mandroba vam
Ny eto an-tanana efa mahafanina
Fa feno karana sy kômôriana e!

Fa naninona e! Fa naninona a!

Ny eto amintsika tsy misy fika
Fa rivo-politika no hiainantsika
Ny fanjakana nanova revy
Nahatonga korontana sy grevy
Vahoaka sahirana no notifirina
Fa natao hivoahana sy hidirana
Tanàna maloto kilaototo
Ny fanambakana efa mahadonto e!

Mitaraina ny tany (6)

Romeo Christophe Aout 2013
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROMEROLL
Vangy : 2261
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Romeroll
Daty : 23/05/2014 14:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733