You are here: home > Tononkira > ROLF

SAMBATRA (ROLF)

Imprimer Facebook Facebook
SAMBATRA

Ireo nofinofy omeko anao
Ho valin’ny zava-tsoa azoko taminao
Fitiavana matotra, tsy adalana intsony
Ho anao avokoa ny fiainako

Ny takatry ny saiko sy ny heriko
Ho atambatro ho vato ao anatiko
Rehefa sambatra aho dia ho zaraiko aminao ny elatro
Hisidintsidina isika roa eny an-danitro

Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako nanantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo ho an̵Tsiky dia ampy7;iza n’iza
Ho avadiko ireo pejy maizina rehetran’ny tantarako…

Ny voady sy ny toky, tsy homeko
Ny hitia anao mandrakizay, tsy ho teniko
Tsy ny resaka fa ny ataoko no ho foiko ho anao re
Misy fetra ny zava-drehetra eto an-taniko

Sambatra aho manana anao
Miankina tsisy tahotra
Sambatra tsy tavela mangingina
Ity fiainako nanantena olon-tsotra toa anao re
Olon-tsara tsy foiko atakalo ho an’iza n’iza
Ho avadiko ireo pejy maizina rehetran’ny tantarako…

Hametraka hevitra

Midira aloha
Mpihira : ROLF
Mpamaky : 12985
Nampidirin'i : Piso
Tamin'ny : 14/01/2004 21:03:28
ID : 2218