Fitiavanao (ROLF)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : ROLF
Mpamaky : 1324
Nampidirin'i : Izaho
Tamin'ny : 01/12/2003 05:13:24
ID : 2148

Imprimer Facebook Facebook
Tsy te handao anao intsony aho mandra-pahafatiko
Tsy hamelako intsony ianao ela niandrasako
Be loatra, be dia be ny soa efa voaraiko
Ka n’inona n’inona hiatra re, ny sary efa ato amiko

Ka te tsy hitomany intsony aho, ho faly ireo namako
Maniry, miandrandra mafy hoe ho azoko ilay lanitro

Ampy ny tomany, fitiavanao mamy

Tsy mahafoy anao intsony aho, f’izay no anjarako
Ny hoaviko zaraiko aminao, izany no ivavahako
Raha sanatria laozanao aho, tsy ho faty, tsy ho levona
Tsy hitsahatra ny mitempo ny foko e! fa harary sy ho enjana

Ka tsy hitomany intsony aho fa hitsaoka fitiavana
Hijanona ety ambany ety e! Tsy hitazana intsony ilay lanitro

Ampy ny tomany, fitiavanao mamy

Tsy mahafoy ahy intsony ianao, f’ianao no anjarako
tsy hamelanao intsony aho, ela niandrasako
Be loatra, be dia be ny lasa tsara ato amiko
Ka n’inona n’inona hiatra re, ny tsara efa lasako

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo