O! vonjeo (ROHAMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Korontan-dava no iainana ety
tsy misy filaminana na hoe fitia
fa ady toy ireo, ireo loza manjo
no indro mandratra fo

O! Vonjeo (vonjeo), Ray o! Ity zanakao
mba omeo (omeo), ny fiarovanao
Mba ho sahy, hijoro na inona hanjo
satria ianao (satria ianao), no eo anilako (no eo anilako)

Ireo namana nianteherana
indrisy nandalo sy niserana
tsy mba nampahery ilay trotraka
izay lavo sy potraka

O! Vonjeo··································(2 fois)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROHAMA
Vangy : 890
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsa_fifaliana
Daty : 09/09/2017 11:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3202