You are here: home > Tononkira > ROHAMA

Ny fanantenako (ROHAMA)

Ny fanantenako, ny hahita anao Ray
ka ny fikasako, tongava amin'izay e
fa e! Mafy loatra ireo tolona sy ady
efa tafahoatra, ireo loza mianjady

Ny fahoriana sy ny fifaliana
no zary sakaiza, tonga toa mpitaiza
tsy misy tsy kivy fa tena mangidy
tongavatononkira.serasera.org ry tompo, miandry anao ny foko

Raha eo mantsy ianao e!
Dia tsy hanonja toy izao
ireo tafiotra mpandrava
baikonao io dia hisava

Toa tsinjoko Ray o! Izany anilanao
foana ny ahiahy, lasa ny talaho
fifaliana foana, izay rehetra atao
toa fohy ny fotoana, hihaonana aminao (2fois)

Hevitra mandeha

antsa_fifaliana (09/09/2017 10:56:23)

Ny groupe rohama dia niorona tao mahajanga teo amin'ny fiangonana advantista mahajanga be tamin'ny taona 1997. Ary mankalaza ny faha20 taonany amin'ity taona 2017 ity. Ny dikan'ny teny hoe rohama dia « namindrana fo»

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ROHAMA
Mpamaky : 59
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : antsa_fifaliana
Tamin'ny : 09/09/2017 10:54:10
ID : 9963

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo