Izy irery ihany (ROHAMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Efa fantatro hatrin'ny ela fa ho very
Izy rehetra tsy miaraka aminy
Nefa tsy nahoako fa nanopy ahy
Nanao izay sitraky ny foko

Nihevitra aho fa nandeha irery hatrizay
Tsisy hery hafa izay misarika ahy
zao vao fantatro fa ao anatiko aho
Ny herin'i satana no nanjaka

Babony tanteraka ianao
Nampanaoviny izay rehetra tiany
Resiny tokoa ka dia nofatorany
Zay vao nahatsiaro tena fa:

Izy irery ihany no afaka hamaha
ireo fatorana izay nangeja ahy
tsy afaka handresy ny herin'i satana
raha tsy amin'ny anaran'i Jeso

2-O! Ry namako izay nihevitra toa ahy
fantatrao izao fa izy irery ihany
no afaka hamoha sy hanavotra
hitondra anao ho amin'ny marina

Ny tsy fankatoavana izay nolazaiko
dia hampitondra alahelo ho azy
Nefa fifaliana ho an'i satana
zay mikendry ny handavo anao

Raha tojo ady sarotra
adin-tsaina mila tsy ho zaka
zay vao nahatsiaro an'ilay Tompo Jeso
Satria tsy misy ankoatr'izay

Izy irery ihany·············





















no afaka hamoha sy hanavotra
hitondra anao ho amin'ny marina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROHAMA
Vangy : 1229
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : antsa_fifaliana
Daty : 09/09/2017 12:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5453