Mitia mangina (Rindra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy fantatrao fa teny foana hany aho
Nitily sy nitsena ny alokao
Ka manara-maso lava izao

Dia iny ianao voninkazo iray
Izay kanto loatra sarobidy ho ahy
Te-hioty aho anefa fa tsy sahy

Hiloa-bava aho ho vahotra
Hiresaka aminao hatahotra
Te-hikiry anefa sarotra

Manahy aho mantsy sao ho lavinao
Tsy zakako raha izay no hitranga izao
Harary mafy ny ao anatiko ao

Aleo hitia mangina anao ny foko
Ataoko ampy ahy fa tsy toloko
Raha ny fitiavako anao tsy heloko
Aleo hijanona ho tsiambarateloko
--------
Rohy:
Hevitra
dahfara ( 23/03/2016 19:58)
Tsara io hira io a!!!mamporisika ny tarika ny tenako hiroso hatrany fa inoako fa ho lasa lavitra ...
fetra16 ( 20/04/2016 15:15)
Tsara le hira!! iza no mba manana an'io hira io fa mba tiana hoatao anaty telefôna! misaotra mialoha
johnheritina ( 21/05/2016 12:20)
Tsar le hira e za maka anarew fun
tolotrarfn ( 06/06/2016 06:54)
tiko be io hira io a, mlay nareo e
arthur16 ( 12/06/2016 20:49)
mahafinaritra ee, tena tiko be io hira io a, fa ohatry ny misy diso kely le tonony eo ambony eo e, sa...? tsy tokony hoe "hany" ve ilay "anie"? dia ilay farany koa "tsiambarateloko"
ikalamako ( 12/06/2016 21:02)
arthur16 : misaotra fa nahitsiko avy hatrany ;)
shaymah ( 26/12/2016 18:19)
Tsara be io hira io
manou4 ( 28/12/2016 07:32)
tena tsar b!
Rinah Hanitriniaina ( 03/02/2017 12:37)
Tsara io hira io annnn
mamyrajohn ( 23/03/2017 07:35)
Mhafinaritra ilay hira e..tohizo fa tsara!
aryonienambininiainaelyse ( 21/04/2017 18:33)
tsy rats aaa! ten mlay be,
desie ( 19/07/2017 06:59)
Tsara tiak be lay Hira e!
larrietojofifaliana ( 13/12/2017 15:41)
mandona b le tononkira, tsara b eh za manokana mankafy
lahatra1 ( 30/01/2018 19:59)
Tiko be io hira io
hasnkwelly ( 11/10/2018 20:09)
mafinaritra be io hira io , mampatsiahy ilay tiako taloha
beditrafahendrena2 ( 02/11/2018 20:15)
tiko be le hira,ary tena ontsa2 ny foko miheno azy
Ajnal ( 07/02/2021 19:35)
Voadona kely mihintsy ny fo a
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rindra
Vangy : 52932
Mpankafy : 20 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/05/2015 11:11
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3193