You are here: home > Tononkira > Rindra

Mitia mangina (Rindra)

Tsy fantatrao fa teny foana hany aho
Nitily sy nitsena ny alokao
Ka manara-maso lava izao

Dia iny ianao voninkazo iray
Izay kanto loatra sarobidy ho ahy
Te-hioty aho anefa fa tsy sahy

Hiloa-bava aho ho vahotra
Hiresaka aminao hatahTsiky dia ampyotra
Te-hikiry anefa sarotra

Manahy aho mantsy sao ho lavinao
Tsy zakako raha izay no hitranga izao
Harary mafy ny ao anatiko ao

Aleo hitia mangina anao ny foko
Ataoko ampy ahy fa tsy toloko
Raha ny fitiavako anao tsy heloko
Aleo hijanona ho tsiambarateloko

Hevitra mandeha

aryonienambininiainaelyse (21/04/2017 18:33:58)

tsy rats aaa! ten mlay be,

mamyrajohn (23/03/2017 07:35:17)

Mhafinaritra ilay hira e..tohizo fa tsara!

Rinah Hanitriniaina (03/02/2017 12:37:05)

Tsara io hira io annnn

manou4 (28/12/2016 07:32:35)

tena tsar b!

shaymah (26/12/2016 18:19:43)

Tsara be io hira io

ikalamako (12/06/2016 21:02:30)

arthur16 : misaotra fa nahitsiko avy hatrany ;)

arthur16 (12/06/2016 20:49:09)

mahafinaritra ee, tena tiko be io hira io a, fa ohatry ny misy diso kely le tonony eo ambony eo e, sa...? tsy tokony hoe "hany" ve ilay "anie"? dia ilay farany koa "tsiambarateloko"

tolotrarfn (06/06/2016 06:54:44)

tiko be io hira io a, mlay nareo e

johnheritina (21/05/2016 12:20:40)

Tsar le hira e za maka anarew fun

fetra16 (20/04/2016 15:15:10)

Tsara le hira!! iza no mba manana an'io hira io fa mba tiana hoatao anaty telefĂ´na! misaotra mialoha

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rindra
Mpamaky : 26969
Mpakafy : 16 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 04/05/2015 11:11:45
ID : 7438

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy