You are here: home > Tononkira > R'Imbosa

HAODY RY ANALAMANGA (R'Imbosa)

Imprimer Facebook Facebook
Haody ry Analamangako
Ry Iarivoko, ry Imerina
Ndreto zahay sy ny lokangako
Fa samy mbola tafaverina

Ny lokanga namborahiko
Ny toloko sy fisaonana
No mbola raisiko angatahiko
Iarahabana ity fihaonana

Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
FTsiky dia ampya nitady fanavaozana
No niniako nandosirana
Taminao no nitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resy tosika ny fiainako
Ka nandao anao tsy fidiny

Haody, haody re hidirako
Ry akany niantombohana
Raisonao (3) ny tononkirako
Mba ho solom-panorohana



Mpamorona : Jean Ratsaramiafara

Hametraka hevitra

Midira aloha
Mpihira : R'Imbosa
Mpamaky : 4196
Nampidirin'i : hertix
Tamin'ny : 29/03/2006 04:17:54
ID : 3568