Raha mbola velona (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Natsanganao ho zanakao aho
Nantsoinao ho zandrinao
Fa mbola mpanota aho no efa
Nanolotra ny ainao ho ahy Ianao

Dia inona ny ataoko Jesosy o?
Inona ny havaliko Anao e?
Tsy mbola nahita fitiavana aho lehibe toy izao

Fiverenana: Raha mbola velona aho
'Zao no faniriko hitsaoka Anao
Ny antony fisiko, hitsaoka Anao
Hitsaoka Anao aho amin'ny androko rehetra
Hitsaoka Anao, Anao tsisy fetra,
Hitsaoka Anao

Havaozy hoa ny fomba fisainako e
Ho fonenana maminao
Mba ho omby Anao ny fiainako e
Anaovanao , 'zay tinao atao

Mba ho tamana Ianao Jesosy o!
Tsy ho teritery anie ny fanahinao
Hitaro ny foko, ahakasika Anao ny finoako

Fiverenana: Fa Raha mbola velona aho
'Zao no faniriko hitsaoka Anao
Ny antony fisiko, hitsaoka Anao
Hitsaoka Anao amin'ny androko rehetra
Hitsaoka Anao, Anao tsisy fetra ,
Hitsaoka Anao
Fiverenana : ...

Hitsaoka Anao aho,
Mendrika ho deraina
Mendrika ankalazaina ny Anaranao
Hitsaoka Anao aho
Hitsaoka mankalaza, hitsaoka mankalaza Anao
Hitsaoka anao aho,
Raiso ny foko, raiso ny fianako, izay momba ahy rehetra
Hitsaoka anao
Miankohoka aho oh oh oh, anio any aho hitsaoka Anao
Miankohoka aho oh oh oh, anio any aho hitsaoka Anao

Mendrika hankalazaina ny Anaranao
Manaiky ny foko, manaiky ny foko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 22516
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : mihantapri
Daty : 04/05/2014 15:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747