RAHA MBOLA TSY AZONAO (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mbola tsy azonao ihany
Raha mbola tsy azonao ihany
Ny fanahy anie talohan’ny vatana
Efa nisy hatramin’izay
Raha mbola tsy azonao ihany
Raha mbola tsy azonao ihany
Ny safidy anie no natao hitantana
Hamaritana ny mandrakizay
Raha mbola tsy azonao ihany
Raha mbola tsy azonao é
Ny ety iankinan’ny zava-drehetra e!
Fantatrao fa ny aina anie tsy mifametra
Ny fanahy anie tsy mety ho faty
Ny afobe anie tsy misy mahatanty é
Ho aiza ianao raha mandao ny tany
Fa ny any anie tsy misy fiafarany

Sao dia may may may vao tsy omby vava oa ny patsa
May may may rehefa ny nenina izay no mandatsa e!
May may may tsy hoe adala fa tsy te hahalala e!
may may may oa nefa tsy afaka miala e!

Raha mbola tsy azonao ihany
Raha mbola tsy azonao ihany
Indray mandeha maty ihany anie ny olona
Dia ho avy ny fitsarana e!
Raha mbola tsy azonao ihany
Raha mbola tsy azonao ihany
Tsy mitovy anie ny olona nitolona
Sy olona maty anaty fisalasalana e
Raha mbola tsy azonao ihany
Raha mbola tsy azonao e!
Ataonao hoe tsy maninona
Ny manao tsinotsinona famonjena lehibe toy izao
Ny ainy no namonjeny anao
Ahoana raha mba izay lazainy no atao e!
Ny famonjena tsy amidy
Fa ny velona no afaka misafidy

Sao dia may may may vao tsy omby vava oa ny patsa e!
May may may rehefa ny nenina izay no mandatsa e!
May may may tsy hoe adala fa tsy te hahalala e!
May may may oa nefa tsy afaka miala e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 3306
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 09/11/2018 10:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1457