mila anao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oviana aho no farany irery tato an-trano aho dia nino Anao
Hoe mba niala fomba fanao, ka nitady Anao
Ny farany namaky Baiboly ; tsy hoe nitady tonon-kira akory
Matin’ny anohanana noho ny Aminao, naniry ny ho fahananao

Ref : Mila Anao aho, mila Anao aho Jesosy ô !
Lasa aiza ny hetahetan’ny fo, fony izaho vao nahalala Anao
Mila Anao aho, mila Anao aho Jesosy ô !
Avia dia kasiho aho, vangivangio fa maniry hanakaiky Anao.

Oviana aho no farany nitondra am-bavaka notarihinao aho
Na nitomany fa mbola tsy voavonjy ihany ny havako e !
Ny farany niaiky fahotana, na namela na nahazo famelana
Oviana aho no farany hoe velona tao am-poko ao ny fitiavanao

Ref : …

Mahatsiaro ho very, ny fo tafasaraka
Irery tompon-tsafidy oà ; nefa dia raraka e !
Tsy izany oà no ilaiko eh !
Sao very maina, ny nanoloranao aina
Hamonjena sakaiza meloka
N’iza n’iza, n’aiza n’aiza
Tsy takatry ny saiko eh !

Ref : (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 8797
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : kln_rab
Daty : 19/09/2014 22:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729