Mihoatra lavitra (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Alaivo sary antsaina fa ho hitanao
Ho itan'ny fanahinao x2
Alaivo sary antsaina fa ho azonao
Ho azon'ny Fanahinao x2

Zay rehetra nampanantenainy
Na inona na inona lazainy
Tambazotram-pamonjena
Tsy misy tsy hainy omena

Zay hitany tamin'ny Rainy
Zay teny tena nokasainy
Raha mino ianao dia ho vitainy
Tsy misy zavatra tsy hainy

Alaivo na tsy misy mandre
Alaivo na tsy misy mahita
Alaivo avy any an-danitra
Fa efa voahomana

Alaivo vakio ny habakabaka
Alaivo, alaivo amin'ny vavaka
Izy mahay manao mihoatra
Noho izay noforonina

Mihoatra noho ny atramin'izay
Mitombo amin'ny fahasoavany
Mendrika mandrakizay
Amin'ny fahefana sy fitiavana

Amin'ny Fahamasinana
Mihoatra lavitra
Amin'ny Fahamarinana
Mihoatra lavitra
Amin'ny Fanambinana
Mihoatra lavitra

Mihoatra lavitra (x4)

Mihoatra noho ny atramin'izay
Mitombo amin'ny fahasoavany
Mendrika mandrakizay
Amin'ny fahefana sy fitiavana

Mihoatra lavitra (x4)

Alaivo na tsy misy mandre
Alaivo na tsy misy mahita
Alaivo avy any an-danitra
Fa efa voahomana e

Alaivo vakio ny habakabaka
Alaivo, alaivo amin'ny vavaka
Izy mahay manao mihoatra
Noho izay noforonina

Alaivo na tsy misy mandre
Alaivo na tsy misy mahita
Alaivo avy any an-danitra
Fa efa voahomana e

Alaivo vakio ny habakabaka
Alaivo, alaivo amin'ny vavaka
Izy mahay manao mihoatra
Noho izay noforonina

Mihoatra lavitra (x4)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 13237
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : kofakama
Daty : 06/06/2016 13:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743