indro aho hiverina (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref : Indro aho hiverina eo an-tongotrao
Jesosy ô ! Tsisy afa-tsy izaho sy Ianao
Hira sy ny dihy, tsy ampy satria,
Fiainana hifampierana, no tena fiderana
Eo no anantonako, hiankohofako Anao
Hisoronako, hiderako Anao
Ho solon-java-manitra, manantitrantitra
No ho ataoko ho fanatitra

Vita ny fety, sy fihiram-baovao
Dihy, ny fiderana ; misandratra Ianao
Ny jiro efa nopihina, sina ny tontolo
Ny mpihira efa nangina, efa lasa daholo

Ref : (x1)

Feno hafanana, ny fanatrehanao
Anivon’ny fiderana, hiverina indray aho
Izaho no sahy hilaza, fa nanome izay sahaza
Hitanao ny fo, namaly ny antso tokoa

Ref : (x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 16162
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : kln_rab
Daty : 19/09/2014 22:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3058