Hijanona (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isan’andro aho, mieritreritra
Miasa saina, ny amin'ny hoaviko
Noheveriko fa ny heriko
Dia ny heriko ihany, dia ampy hahavita izany

Isan’andro aho, be fanahiana
F’efa impiry impiry moa, tao anaty fijaliana
Ka ilay hery izay nitokiana
Tsy hitako very, resy aho ka nangina

Ref:
Fa vizana aho, reraka
Tsy hitako intsony izay atao
Miantso anao, mitalaho
Ampetrako aminao ny zigako izao
Sy izay rehetra mavesatra rehetra rehetra

Anio aho, hijanona,
Handohalika eto imasonao
Handinika ny fiainako,
tsy teo anilanao
Ka tsapako izany

Anio aho, hijanona,
handohalika eto imasonao
Handinika ny fiainako,
tsy teo anilanao
Ka tsapako izany

Isan’andro aho, miaro tena
Dia manitsaka, tsy ho voahitsaka
Mankahala aho, tsy te-hahalala
Tsy manaiky ho ambany aho
Tsy mba diso izany aho

Isan’andro amin'ny fiteniko,
mampahory nefa tsy rarahiko akory
manenjika, mampitomany
fantatro anie izany nefa mbola ataoko ihany

Ref:
Fa vizana aho, reraka
Tsy hitako intsony izay atao
Miantso anao, mitalaho
Ampetrao @ao ny zigako izao
Sy izay rehetra mavesatra rehetra rehetra

Anio aho, hijanona,
handohalika eto imasonao
Handinika ny fiainako,
tsy teo anilanao
Ka tsapako izany

Anio aho, hijanona,
Hanokatra ny foko eto imasonao
Hodiovinao, horaisinao
Hateraka indray, hahita an’Iay Ray

Anio aho, hijanona,
handohalika eto imasonao
Handinika ny fiainako,
tsy teo anilanao
Ka tsapako izany

Anio aho, hijanona,
Hanokatra ny foko eto imasonao
Hodiovinao, horaisinao
Hateraka indray, hahita an’Iay Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 2586
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : fitiavanatsirinala
Daty : 07/11/2017 14:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0846