GASIKARA (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gasikara no tany manan-karena indrindra
Raha tena mitahy tokoa ny razana
Ny fanajàna fitiavan-kavana tsy hafindra
Ny efa lasa tsy afaka hiasa ho an'ny tanindraza

Ambanin'ny fanahin'ny fahafatesana
Tsisy fitsaharana fa fanjakan'ny maizina
Any am-pigadrana, fa fahantrana
Fitaka no ao fa raha miala tao
Ho zanakin' ny mazava ianao Gasikarako ô

Ref: Aza ela ho'aho, fa efa voasoratra e
Efa miandry ilay toerana,
Sori-dalana niheverana
Ny anjara lovanao,
Voninahitra, 'lay toeranao
Ho firavak'izao tontolo izao hianao Gasikarako ô

Mivoha ny vavahadin'ny fahamarinana
Raha mety ianao, andeha hiara-hiditra ao
Hanokatra lalana ho amin'ny fahamasinana
Handresy ny asan'ny maizina amin'ny taranakao

Tsisy hery mandresy fanahin'ny fahafatesana
Tsisy hery hafa manala ny fanadevozana
Fa an'ny Jesosy irery ihany ny fahefàna
Ety an-tany hatrany an-danitra any
Raha mety ianao mandrosoa makao gasikaro ô
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 4522
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : mahery2015
Daty : 08/01/2016 11:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1329