Fiadanam-po (Rija Rasolondraibe)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Mpamaky : 1095
Nampidirin'i : tiarah
Tamin'ny : 07/11/2011 11:57:29
ID : 6039

Imprimer Facebook Facebook
N ' iza n' iza ambava hoana
Mangetaheta fiainana mandrakizay
Nahoana no hiandry teren'ny fotoana
Vao hifoha hiantsoantso ny Ray


Fahaizana, harena , diploma
Tsy azahoana na tombon'andro iray
Nahoana no hiandry fasana manoloana
Vao hieritreritra mandrakizay

Fiadanam po, fantatro fa voavonjy ianao
Raha misy ho lasa izao dia izao,
Mbola hihaona izao sy ianao
Ho hitantsika, toy ny masoandro mibaliaka
Ireo marina nanaiky hohamarinina

Mahery fo, izany no tiako handraisany ahy
Niara niady tsara, nanamarika tantaka
Aza manahy , zanaky ny Ray aho
Fifaliana ny  an-danitra ao raha ho avy ianao

Tano ny hevitra tompon ny fotoana
Misaona amoron'ny mandrakizay
Tsy ampoizina satria vaovao ratsy foana
Tsy niomana nefa lasa po toy izay

N iza n iza anie  ambavahoana
Isan'andro ny famonjena omena anao
Ala nenina ny ahy na dia lavinao foana
Tsy hoe tsy nahalala akory ianao

Fiadanam po....

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo