FANALAHIDY (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref (2X) : Aoka e aoka ranona
Aoka e lakile oa samy manana e!
Aoka e aoka ranona
Aoka e lakile oa samy manana e!

Izay fatorako ety an-tany
Voafatotra any an-danitra any
Izay vahako koa torak’izany
Any an-danitra any voavaha avy hatrany
Lakilen’ny fanjakan’ny Andriamanitra e!
(Lakilen’ny fanjakan’ny Andriamanitra e!)
An- tanan’ny akohonana e! (ankohonana e!)
Lakilen’ny fanjakan’ny lanitra e!
(Lakilen’ny fanjakan’ny lanitra e!)
Efa azon’ny fiangonana

Ref (2x)

Anoloko varavarana tsisy afaka manidy
Izahay io miandry fampakarana lakile ny safidy
Fanalahidin’ny fandrenesana e!
(Fanalahidin’ny fandrenesana e!)
Fanalahidin’ny fisainana e! (fisainana e)
Fanalahidin’ny fahafatesana e!
(Fanalahidin’ny fahafatesana e!)
Fanalahidin’ny fiainana e

Ref (2x)

Samy mampiasa lakile mampiasa lakile
(Samy mampiasa lakile mampiasa lakile)
Fa tandremo sao lasa amin’ny afobe
(Tandremo sao lasa amin’ny afobe)
Mianatra manisa firy ny andro sisa
Mampalahelo ô! Lasa amin’ny helo
Mibebaka sisa raha mila paradisa
Mibebaka ihany oa fa akaiky izy izany

Ref (2x)

Jesosy no efa maty fa velona indray a
Anazy oa ny valifaty sy ny fiainana mandrakizay
Manan-tsofina ve? (manan-tsofina ve?)
Aoka handre (aoka handre)
Nandresy Izy anie (nandresy Izy anie)
Azony ho aho ny lakilé (azony ho aho ny lakilé)
Lakile avy any an-danitra any
Mamoha varavarana ety an-tany
Lakile avy any an-danitra
Lakile avy any an-danitra any
Mamoha varavarana an-danitra any

Ref (2x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 2474
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 15/11/2018 08:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1062