You are here: home > Tononkira > Rija Rasolondraibe

Fanahy Masina (Rija Rasolondraibe)

Mangetaheta aho, maniry hanakaiky Anao
Tsy hanao 'zay hampalahelo Anao
Tsy tia ota intsony aho, tafasaraka
Voatokana ho an'ny fanjakanao
Noho ny famindra-po an'i Jesosy Kristy
Sy ny fitiavan'Andriamanitra Ray
Ary ny firaisana Aminao

Ref: Fanahy masina ô, fenoy fenoy aho
       Toy ny fofon'aiko, ilaiko ny fisianao
       Te ho sakaizanao, akaikin'ny fonao
       Ianao no hany, Andriamanitra ety an-tany

Mangetaheta aho, handeha amin'ny Fanahy
Fahefana, fahaiza-manao, omeko Anao
Tsy hamono Fahazavana aho, koloiko ho tamàna
Fa Ianao no mitondra ahy am'ilay mandrakitononkira.serasera.orgzay
Eo anoloan'Andriamanitra
Sy ny vavaky Jesosy Kristy
Noho ny firaisana Aminao

Ref: Fanahy masina ô, fenoy fenoy aho
       Toy ny fofon'aiko, ilaiko ny fisianao
       Te ho sakaizanao, akaikin'ny fonao
       Ianao no hany, Andriamanitra ety an-tany

Avia dia toroy aho, ento tariho aho
Tsy misy atakaloko 'zay efa hananako avy Aminao
Hamarino aho, hamasino
Ampianaro aho, hazavao aho
Amin'ny firaisana Aminao o!

Ref: Fanahy masina ô, fenoy fenoy aho
       Toy ny fofon'aiko, ilaiko ny fisianao
       Te ho sakaizanao, akaikin'ny fonao
       Ianao no hany, Andriamanitra ety an-tany



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rija Rasolondraibe
Mpamaky : 3036
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : mahery2015
Tamin'ny : 25/04/2015 13:33:08
ID : 7417

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo