Eo amin'ny Fanatrehanao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: ‘Zay momba ahy rehetra ao am-poko ao
Te hitoetra, hitsaoka Anao
Eo amin’ny fanatrehanao
Eo manerana ahy ny aim-panahy
Teo no nahaterahako indray
Eo amin’ny fanatrehanao

Diovy aho ho afa-pahotana
Kasio handray famelana
Fa ho ahy no nijalianao
Hody aho am-pahamarinana
Ho tody am-pahamasinana
Faly ny fonao
Ref……
Tsy lova fa safidiko Ianao
Mirehitra ao am-poko ao
Ivon’ny fiainako
Ivo iorenako, fonenako
Fiderako, fiafenako
Lavitr’izao tontolo izao
Ref…
Fahafatesana ve sa fianjerana
Dia za zao mintsy Jesosy ô
Arovanao, hiandanianao
F’efa nofafanao ny adalako
Nosoloinao fiainam-baovao
Mahalala marina Anao

Fa ny eo anilanao, ny eo anilanao
No ilaiko Jesosy ô
Tena mila Anao,tena mila Anao aho
Haiko Jesosy
Fa te hitoeranao te hitoeranao fo fanahy
Tompo malala ô
Fa ny eo akaikinao, ny eo akaikinao
No mahatsara ahy ( x2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 8616
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rinatiah
Daty : 25/10/2012 13:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725