Andriamanitry ny voninahitra (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misandrata ry varavaran’ny fahagola
Vohay re ny vavahadin’ny vazan-tany e !
Ny avaratra ilazao hoe Avohay e ! e ! e !
Lazao amin’ny ao atsimo fa aza tazomina
Ambarako amin’ny fahefana
Tononiko amin’ny fanahy, mandrenesa
Ny andrefana ilazao hoe : Avohay e ! e ! e !
Lazao amin’ny atsinanana fa aza tazomina
Fa ho avy Ilay Mpanjaka
Tompon’ny fahefana, Tompon’ny voninahitra

Fiv. : Izy e ! e ! Jesosy no Izy
‘Lay Mpanjakan’ny voninahitra

Misandrata ry varavarana fahagola
Vohay re ny vavahadin’ny vazan-tany e !
An’Andriamanitra ny tany sy ny mponina ao e ! e !
Tambonin’ny ranomasina nanaovany azy e !
‘Ndeha isika hiakatra, hiakatra hatrany an-tendrombohitra Masina
Fa mendrika an’Andriamanitra ny fiderana e ! e ! e !
Fiderana tsara lavitra no mendrika Azy e !
Fa Izy ‘lay Mpanjaka Tompon’ny fanehfana
Tompon’ny fanjakana Izy e !

Fiv. :………

Henoy (x3) ny filazako Azy,
Henoy ny filazako Azy
Avy any an-danitra tonga tety an-tany
Tety an-tany mijoro vavolombelona
Vavolombelon’ny fahamarinana e! e !
Fahamarinana nijaliany,
Nijaliany tamin’ny hazo fijaliana e ! An ! an ! an ! an !
Tany amin’ny fiainana tsy hita Izy e !
Telo andro dia izay no vita
Nataony nahamay ao ny fahafatesana
Nitsanganany ao ny fasana,
Fahotako izay efa lasany e ! e ! e ! e !
Niakatra ho any an-danitra e !
An-kavanan’Andriamanitra e !
Vita ny famonjena, Azony ny fandresena ,
Velona mandrakizay Izy e !
Ary mivavaka ho ahy Izy e ! Ayah !

Fiv. :…….

- ô! ô! ô! ô! ô!
- ô! ô! ô! ô! ô!
- ô! ô! ô! ô! ô!
- ô! ô! ô! ô! ô!
- Iza ary ‘lay Mpanjaka e !
- Iza ary ‘lay Mpanjaka e !
-Andriamanitra Mahery e ! e ! e !
-Andriamanitra Fiadanana e !
-Iza ary‘lay Mpanjaka e!
- Iza ary ‘Lay Mpanjaka e !
- Andriamanitry ny fandresena a ! a !
-Andriamanitry ny fahendrena a ! a !

Rija Rasolondraibe
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 14889
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : vahatrakely
Daty : 06/09/2013 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9034