Amoron'ny mandrakizay (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N'iza n'iza, ambavahoana
Mangetaheta fianana mandrakizay
Nahoana no hiandry teren'ny fotoana
Vao hifoha, hiantsoantso ny Ray

Fahaizana, harena, diplôma
Tsy ahazahoana na tombon'andro iray
Nahoana no hiandry ny fasana manoloana
Vao hieritreritra ny mandrakizay

Ref : Fiadanam-po, fantatro fa voavonjy ianao
Raha misy lasa izao dia izao, mbola ihaona izaho sy ianao
Ho itantsika toy ny masoandro mibaliaka
Ireo marina nanaiky ho hamarininao
Mahery fo, izany no tiany handraisany ahy
Efa niady ny ady tsara nanamarika tantara
Aza manahy, zanakin'ny Ray aho
Fifaliana ny ao an-danitra ao raha ho avy ianao

Tanora mihevitra ho tompon'ny fotoana
Misôma amoron'ny mandrakizay
Tsy ampoizina satria vaova ratsy foana
Tsy niomana nefa lasa poa toy izay

N'iza n'iza anie ambavahoana
Isan'andro ny famonjena omena anao
Ala-nenina ny ahy na dia lavinao foana
Tsy hoe tsy nahalala akory ianao

Ref : Fiadanam-po, fantatro fa voavonjy ianao
Raha misy lasa izao dia izao, mbola ihaona izaho sy ianao
Ho itantsika toy ny masoandro mibaliaka
Ireo marina nanaiky ho hamarininao
Mahery fo, izany no tiany handraisany ahy
Efa niady ny ady tsara nanamarika tantara
Aza manahy, zanakin'ny Ray aho
Fifaliana ny ao an-danitra ao raha ho avy ianao
(2x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Rasolondraibe
Vangy : 18191
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rabossy
Daty : 08/02/2012 14:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111