Raha tsy ho ahy (Rija Ramanantoanina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy ho ahy, ho ahy irery ianao fa ho azy koa
Raha tsy ampy anao ny iray fa tianao ny ampiara-droa
Dia avelao ho ahy irery ny fitiavako fa sao dia lo
Ka tsy hahay hitia intsony avy eo

Avelao ho any koa ny lasantsika tsy hifoha
Na izay anio, na ny ampitso aoka tsisy ho re
Dia ny mbola tsy miroborobo fakany ilay fitia
Dia aleo kapaina sao mamoa

Tsy ninia hamitaka aho sanatria
Na hoe tsy ampy ahy ny iray k’aleoko roa
Fa nisy fitia iray tsy mbola hitako nandalo teo
Dia tsy fantatro fa lasany aho

Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
Nangatsiaka aho dia nantsoiny eo aminy
Sanatria tsy hoe tsy tia anao intsony aho dia nandeha
Nandeha aho dia niverina indray

Sao sanatria tsy ampy anao ny fitiavako
Tsy noho ianao na ny fitiavanao no antony
Ampy ahy tokoa izay nataonao sy ny fonao tena tia
Manana amby betsaka aza ireo

F’ilay fitia izay nandalo, hafa tamiko
Nahavariana ahy ka dia niriako nofantarina
Tsapako avy eo fa tsotra nefa feno ny fitiavanao
Hafahafa ilay fitia vaovao...

Nampiova ahy ny fitia nentiny
Nampitombo ho ahy ny fitiavanao
Tany aho fa tsy nahatsiaro ho nafana ny afo nentiny
Mbola hafa ny fitiavanao!

Fa nisy fitia iray niserana nitondra afo teo
dia nanampy ahy izy hanazava anao
Fa misy fitia iray tsy manam-petra ao anatiko ao
Voatokana ho anao sy ho ahy.

Rija RAMANANTOANINA sy Arielle / 1988
--------
Rohy:
Hevitra
rj06 ( 12/02/2018 14:24)
Tsara b le hira an.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Ramanantoanina
Vangy : 25774
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsiory
Daty : 31/12/2001 17:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116