Fiainana kely (Rija Ramanantoanina)

Mpihira : Rija Ramanantoanina
Mpamaky : 3878
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 25/10/2001 16:10:55
ID : 97

Fiainana kely tsy mirehareha
Fiainana kely tsotsotra izay ny ahy
Tsy trano manjelatra, tsy tafom-bazaha
Fa tafo mololo izay ihany aloha ny ao
Fa raha ny fitiavanao no mankao
Raha ianao iriko no miantrano ao
Hanjary lapa ilay bongo kely
Na mpanjaka aza hangetaheta ny ho ao
Ho tondraka ronono, hitobaka tantely
Fa tojo ilay niriako aho, sady tojo anjely

Ny fitiavanao hamoronako hira
Hokaloiko ho anao na maraina na hariva
Hindramiko koa ireo hira fanaoko
Hitety tontolo hidradradradrako
Fa tiako ianao
Tena tiako ianao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo