Avy aminao (Rija Ramanantoanina)

Mpihira : Rija Ramanantoanina
Mpamaky : 2493
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 06/09/2002 10:56:07
ID : 952

Faniriana no ahy,
Fikasana no anjarako
Fa izay tanteraka, dia avy Aminao.

Kindrindriana, lalao,
Sarisary no atao,
F’ilay Aina avy Aminao no antok’ireo.

Fa n’inon’inona vita tety
Tsy noho ny amiko, fa ny herinao
Na laza, na sitraka azo tety
D’efa taratr’ilay endrikao

Fa sitrakao no nahatoy izao ahy
Ka isaorako ny Anaranao
Ny fitiavanao no nahatojo izay ho ahy
Ny voninahitra anie ho Anao.

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo