Izy indrindra izy (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izy e
No fiainana
Izy e
Fifaliana
Izy
Dia fitiavana
Mozika be dia be
Tsy mety lany
Nefa izy
Izy voatery nandeha
Ireo vitany tety
Efa be dia be
Izy
Tsy hiverina intsony
Lasa lavitra be
Ivelan’ny Tontolo

* Izy e )
izy indrindra izy e ) (in-telo)
Izy e
Dia fitiavana be

Izy e
Sangisangy ihany koa
Izy e
Vazivazy tsy fohy
Izy
Tambitamby tokoa
Antsoiko isan’andro
Rehefa misy manjo
Izay nomeny rehetra
Tena izy tokoa
Tsy nasiany fepetra
Fa vokatry ny fo
Ny hafatra napetrany
Ampitiavana be
Nakipiny ny masony
Lasa izy nandeha

-->*
--------
Rohy:
Hevitra
ANARIM ( 04/07/2021 19:10)
Nakimpiny ny masony,
Nikatona ny varavaram-bato,...
Ho tsaroana mandrakizay ny hafatra napetrany
Am-pitiavana be...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 24655
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Thierry
Daty : 29/10/2001 09:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4264