You are here: home > Tononkira > Olombelo Ricky

Iray làlana (Olombelo Ricky)

Hijanona ianao sa handeha any ve ?
Ambarako anao fa tsy tantiko e
Isika anie tsy afaka miady e

Tsikitsikinao, tsikitsikiko iany
Hirahiranao, kalokaloko ô
Alalehlona, ranomasoko any
Fitiavanao, fitiavako
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any

Azafady, azafady,
Iray làlana ihany fa tsy afaka miady
(in-2)

Iray làlana ihany fa tsy afaka miady

Tsy naharitra ianao fa nandaoTsiky dia ampy ihany
Taratasy napetrakao nampitomany
Tsy naharitra ianao fa nandeha ihany
Taratasy napetrakao nampitomany


Nofinofinao, nofinofiko ihany
Hirahiranao, kalokaloko ô
Alahelonao, ranomasoko, ihany
Fitiavanao, fitiavako ô
Izay tsisy any aminao, mba misy any amiko any (in-2)

Azafady, azafady,
Iray làlana ihany fa tsy afaka miady
(in-2)
Iray làlana ihany fa tsy afaka miady



Nandalo, nandalo teny ihany aho (miverina im-betsaka hatramin’ny farany)


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Olombelo Ricky
Mpamaky : 5643
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Andrianjohar
Tamin'ny : 30/08/2013 12:15:42
ID : 6361

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo