Avelao (Olombelo Ricky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Naleoko ihany tsy nisy ianao
Toy zay hanan-dratsy aho
Fa ny antsika anie efa ela be
Hadinoko sahady fa nandratra ahy

Naleoko ihany olom-pantatro ianao
Arahaba dia vita
Ankehitriny lasa adin-tsaina ho ahy
Irony zava-bitantsika hatramizay

Avelao (x2) amin’izao fa ho namako ianao
Avelao mihintsy ihany aho f’ho namako ianao

Aza asianao resaka intsony
’Zay vita dia vita
Fa fitiavana madio no atolory
Fa io no nahavoa anay hatramizao

Ny lalanao tsy lalako intsony
Samia mandeha
F’ireny tantara ireny avalony
F’tsy tiako henony intsony, tsy tiako henony intsony

OLOMBELO RICKY (version BALITA) siks!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Olombelo Ricky
Vangy : 13067
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tahyr'
Daty : 18/12/2003 01:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725