You are here: home > Tononkira > Ricah Talibao

TSY MAHANDRY (Ricah Talibao)

Rivotra mitsoka mora iny,
Toa ahenoko ny fonao
Mampanembona ireo fahiny
Ka manosika hikalo anao
  Any ianao ve mba toa ahy
  Mbola feno ve ilay fitia
  'Zaho aty toa manahy

Fa tia tena tia,
Zatra nankafÿ,
Ny eo anilan-dryi, Ka miangavy mba modia
Fa lavitra anao,
Mba ilazào vaovao
Fa manina foana, sasa-miandry, miandry anao

#Refrain:
Ka dia tsy andry ny ahita anao,
Handray ny tananao
Hanafana eo anilako eo foana
Ny alina aho toa manofy anao,
Toa manoroka ahy
Fa mino aho mbola ho avy ny fotoana
   Tafaray izaho sy ianao

Amin'io andro iray,
Dia hifandray ny fon-tsika
Ary hamenoko ireo banga,
Sy izay kely nangatsika
  Fa ianao efa ho ahy,
  Dia izaho koa efa anao
  Ka na maro ireo fakam-panahy
  Mino aho fa ho lavinaTsiky dia ampyo...

Zatra nankafÿ,
Ny eo anilan-dryi, Ka miangavy mba modia
Fa lavitra anao,
Mba ilazào vaovao
Fa manina foana, sasa-miandry, miandry anao

#Refrain:
Ka dia tsy andry ny ahita anao,
Handray ny tananao
Hanafana eo anilako eo foana
Ny alina aho toa manofy anao,
Toa manoroka ahy
Fa mino aho mbola ho avy ny fotoana
   Tafaray izaho sy ianao

Zatra nankafÿ,
Ny eo anilan-dryi,
Fa manina foana, sasa-miandry... ... ...


#Refrain: (+Swing)
Ka dia tsy andry ny ahita anao, (ouh, yeah)
Handray ny tananao
Hanafana eo anilako eo foana
Ny alina aho toa manofy anao,
Toa manoroka ahy
Fa mino aho mbola ho avy ny fotoana
   Tafaray izaho sy ianao

Rivotra mitsoka mora iny,
Toa ahenoko ny fonao
Mampanembona ireo fahiny
Ka manosika hikalo anao... ... ...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ricah Talibao
Mpamaky : 1134
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rakeric5
Tamin'ny : 22/05/2016 22:13:33
ID : 8552

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo