Tiako loatra jesoa (Riampeon' Ny Maritiora)

Tompo tsara indrindra o! Tena nomenao e
ho ahy tsy mba nila tambiny na kely monja aza re
'Zato zava-tsoa tokoa miboika isan'andro
Atolotrao ho ahy daholo 'zay iriko sy angatahiko
na izay tsy fantatro aza kanefa mahasoa


Ref:
         Tiako loatra ianao jesoa eo anilako
         Tiako loatra ianao jesoa ho mpitantana ahy foatononkira.serasera.orgna e
         Tiako loatra ianao jesoa fa tena manome soa
         Kanto e! Meva e! Tsara e! ianao jesoa...


Inona no havaliko anao ry Jesoa o
fa efa nomenao ahy tokoa ny zava-boahary mba ho ahy koa
Sy izay eo aminy, mivoatra tsy lany.
Ny tenako raiso mba ho fitaovan' eo am-pelatananao ry Tompo tia o
fa ekeko izao.


Ref: Tiako loatra ianao jesoa...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Riampeon' Ny Maritiora
Mpamaky : 671
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : keuvin4
Tamin'ny : 07/03/2016 12:56:21
ID : 8126

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo