Jesoa Mpanafaka (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miantso re!
mitalaho mba ho re
Fa lavitra anaty aizina.
oh oh oh
Manantena anao mba hanafaka ahy re Jesoa
Hianao Tompo lehibe


Ref:
Ny fanantenako anie Jesoa dia Hianao
Ho finoana anatiko ao Jesoa Hianao
Ny hoaviko rehetra anilanao Jesoa mpamonjiko malala oh!


Mitomany,
ranomaso latsaka
mikoriana ao am-poko tena trotraka..
oh oh oh
Mijaly tokoa, resy te andeha hamoy fo
Jesoa, mba hafaho re ny manjo

Ref:
Ny fanantenako anie Jesoa dia Hianao
Isaorana ny anara-masinao
mandresy ireo fahavalo maningana
oh oh oh
Raiso anjakao
Ny fiainako izao Jesoa ho tempoly itoeranao..


Ref;
Ny fanantenako anie Jesoa dia Hianao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Riampeon' Ny Maritiora
Vangy : 1109
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : keuvin4
Daty : 14/03/2016 13:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753