Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Hira fanevan'ny Riampeon' ny maritiora)

Tsy lany hamamiana ny fitiavanao
Fa feno fitahiana izay hombanao
Misaotra anao ry Ray, tanteraka izao
Ny asa vitanay ho voninahitrao


Ref:
Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa
Ny fahasoavanao dia ho anay tokoa
Hasandratray ny feo hidera sy hankalaza ny Tsitoha
Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa...


Ny Fanahy Masinao Ray no ampinga entinay
Hamakivaky ireo asa miandry anay
Na sarotra aza anie ny hodiavinay
Ny Riampeo mandresy no hany tanjonay


Ref:
Hihira ho an'i Jehovah aho raha mbola velona koa...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Riampeon' Ny Maritiora
Vangy : 1538
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : keuvin4
Daty : 08/03/2016 12:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795