Faniriako Jesoa (Riampeon' Ny Maritiora)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faniriako Jesoa ny eo anilanao
fa efa nomenao ahy ny teny tsara
'Zay manoro ahy amin'ny lalan-tsara
ka ampio aho mba hanao ny sitrakao


1. Tsy mba fitiavana harena, an-kosobolamena
no tiako izay omena
fa zavatra iray no faniriako
dia fo madio no tiako hananako hatrizay

Satria izany no hatsapako fa mamy ny aminao ry Tompo
'zay feno ny fihantrana be koa
mitsinjo ny olona 'zay reraka am-po
Hianao no lalana mankany hananako izany
dia 'lay haren-tsy lany
dia ny fo madio 'zay tsisy loto
fa feno fahendrena sy tia famonjena

Faniriako jesoa ny eo anilanao
fa efa nomenao ahy ny teny tsara
'zay manoro ahy amin'ny lalan-tsara
ka ampio aho mba anao ny sitrakao


2.Hianao Jehovah Tomponay o, no andry hitokiko
hizorako hifaliako
ka tsy hanahy na hatahotr'aho ry Tompo
fa vonona hanompo handray ny teninao.

Hianao jesoa no harambato
ka foiko ho anao ny fiainako
omeko anao izato foko
ka raiso sy hanjakao ry be indra-fo
Hianao no fantatro fa mety hizorako manketsy
dia 'lay kanana iray 'zay feno harena tsy mba lany
mipololotra hatrany ho ahy mandrakizay...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Riampeon' Ny Maritiora
Vangy : 1895
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : keuvin4
Daty : 06/03/2016 19:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725