You are here: home > Tononkira > RHYAZ Nantenaina

Ity Sekolinay (RHYAZ Nantenaina)

Ianao Maria no tena Reninay
Mitantana ny sekolinay
Misaotra Anao noho ny nitainao
Ny sekolinay efa atramin izay
Maro be reo soa efa azonay
Noho ny fiderana ny Anaranao
Ny fianaranay sy ny tenanay
Ho feno ny fihobiana Anao
Tsy nanary anay Ianao
Ry Reny Mamy oh misaotra Anao
Voninahitra anie ho Anao
Ary koa ilay Zanakao

Ty Sekolinay ity
Mba arovinao Ry Masina Maria
Aza avela ikodia
Fa tantanonao re ny dia yeah

Ankehitriny 'reto izay miantsa Anao
Noho ireo fahalalana azonay
tononkira.serasera.orgVoninahitra anie ho Anao
Atram izao sy ho mandrakizay
Reninay Ianao sy Maminay
Ilay mpanoro lalana anay atrany
Nosohavinao ny tenanay
Ny sekolinay koa tahak izany
Renin Andriamanitra Ianao
Ry Maria oh tinay Ianao
Voninahitra anie ho Anao
Ary koa ilay zanakao

Maria oh fisaorana
Feno fiderana anie ho Anao
Ary koa ny voninahitra
ho Anao mandrakizay
Ary ny fiadanana
Ho an'ireo mpianatrao
Ka ampio izahay tanoranao
Fa mitalaho miantso anao

REF : Ostario Romario | COLLEGE TRINITIAIRE SAINTE MARIE TSIDID

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : RHYAZ Nantenaina
Mpamaky : 143
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : safidimalala
Tamin'ny : 08/01/2018 10:16:56
ID : 10255

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo