You are here: home > Tononkira > Rebika

Sao manody (Rebika)

Ilay fony nanantena dia nangaina
Ialahy mba tiana dia nampitaraina
'Lay nofy mamy saika tena izy
Ialahy nandratra fitiavana ankizy

Izao izy mandraiky mahia
Tsy harany ny fianarany
Ny fanadinany efa miha akaiky.
Ny latsan'i Reniny
Ny tahotra an-dReniny
Tsy tonga intsony ilay isam-bolany.(x2)

Instrumental:Tsiky dia ampy ......................

Ialahy dia tena mpamosavy
Navita ny natao dia nanary azy
Ialahy koa angie natera-behivavy
Sady mbola he ireto anabavy.

Tandremo fa ny todim-pitia
Mbola tsy afa-bela tety
Fa naizanaiza ialahy ho enjehiny.
Izao ny zanak'ialahy tsy hanan-dRay
Hiala ao dia hiteraka indray
Sao tsy ho zaka letsy ny ho valiny.(x2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Rebika
Mpamaky : 84
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 11/03/2019 16:24:22
ID : 11475

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo