Nofy (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny alina mangina toa mampanembona ahy
Ny volana baliaka mampifoha ny tsiahy
Tsy andriko ny ampitso, hahita anao indray
Ka hiondanako eo an-tratranao, hiangotiako aminao

Mametsovetso anao ny foko, enga anie ka ho azo nofy
Hitohy mandra-maraina lay nofy ka ho mirana aho ny hahita anao

Manganohano irery aho, ny alahelo anao tsy ho laitra
Fitia vao miandoha ka mora tohina sy taitra
Hiomanako ny ampitso hihaonantsika indray
Hitohofako ilay molotrao, hisambarako sy ianao

Ny fendrofendro anaty tsy ho tanty, ny ato am-poko mitoloko
Lay nofy no antenaiko, ry aiko, hanohizako embona anao

Hametsovetso anao ny foko, enga anie ka ho azo nofy
Hitohy mandra-maraina lay nofy ka ho mirana aho ny hahita anao

Hanofy anao no iriako hiandrasako ny ampitso
Izay mielina tsy ho tiako ndrao tsisy hifaliako
Hoezahiko lay nofy hiantefa any aminao
Hiombo-nofy any isika anio ho ali-mamy sy hadio

Ny fendrofendro anaty tsy ho tanty, ny ao am-poko mitoloko
Lay nofy antenaiko ry aiko hanohizako embona anao
--------
Rohy:
Hevitra
veloma ( 12/12/2014 17:50)
Milay eh, mankasitraka!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 6668
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/06/2014 18:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756