IFONAKO (Rebika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ifonako ry Tompo mahery
Ny ditrin’ny foko sy ny saiko
He menatra tsy sahy nijery
Nyy lanitra onenanao ry Raiko

Ny ditrin’ny foko mo hatrizay
Noheveriko ho laza sy voninahitra
Meteza indray ianao re hatsiaro
Fa zanaka nania aho ka fay

Réf:Ny heloko rehetra
Aoka hivalona any e
Tompo o mba aoka re
Tsy hotsarovanao
Ka ny androko sisa rehetra rahatrizay
Dia handia indray fiainam-baovao


Mifona aho ry Raiko mpamonjy
Naditra aho kanefa voavonjy
Saika very aho ka indro hita indray
Voakapoka mafy aho dia fay

Indrisy koa ireo zava kinasa
Tsy nety natohy fa hasa
Ry tompo o ampio sy tantano
Fa sao indray hampiditra angano

Réf:Ny heloko rehetra
Aoka hivalona any e
Tompo o mba aoka re
Tsy hotsarovanao
Ka ny androko sisa rehetra rahatrizay
Dia handia indray fiainam-baovao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika
Vangy : 3801
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanomezatoky
Daty : 13/10/2015 10:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734